Nanao tombanezaka fohy ny CENI momba ireo asa nirotsahany
Mandroso hatrany ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI amin’ny fanatanterahana ny zotram-pifidianana izay entina hikarakarana ireo fifidianana ho avy rehetra eto amin’ny firenena. Hatreto mandeha araka ny tokony ho izy ny asa ary miezaka hatrany ny CENI mba hahatomombana izany. Ao anatin’izany indrindra dia nanao tomban’ezaka mikasika ireo asa efa vita sy ireo mbola asa miandry ny CENI izay novelabelarin’ ny Filohany, RAKOTOMANANA Hery, manoloana ireo mpanao gazety androany.
Amin’ny ankapobeny, asa telo lehibe no nosahanin’ny CENI hatreto: ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ireo rantsamangaikan’ny CENI sy ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana, ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana ary ny fanatsarana sy fanavaozana ny lisitry ny mpifidy.